Fifamoivoizana

RN4 – loza mahatsiravina 2 maty, 14 naratra teny Manerinerina


  • Talata 17 Novambra 2020

Nisehoana loza mahatsiravina tany amin’ny làlam-pirenena faha-4 na ny RN4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga omaly vao mangiran-dratsy.

 Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina mahery kely, teny Manerinerina, dia fiara Sprinter no niala làlana sy nivarina tany anaty antsana. Tsy fantatra mazava na variana na sondrian-tory tampoka ny mpamily. Mpandeha roa dia lehilahy 40 taona sy vehivavy 59 taona no namoy ny ainy. Miisa 14 kosa ny naratra, ka anisany ny mpamily, raha ny tatitra azo. Efa nahazo ny fitsabona sahaza tao amin’ny Hopitalin’Ankazobe izy ireo. Mampahery ny fianankavian’ny maty sy mirary fahasalamana ho an’ireo naratra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT