RN4-FAMPITSAHARANA NY BAJAJ

Tezitra sy nanao fihetsiketsehana


  • Alarobia 03 Jona 2026

ny vahoakan'Ambondromamy

Natsahatra tsy niasa nandritra ny 5 andro ireo bajaj manao fitateran'olona mampitohy ireo kaominina telo mifanakaiky, dia i Tsaramandroso , Ambondromamy ary Andranomamy samy any amin'ny lalam-pirenena fahaefatra.Tezitra noho izany ireo vahoaka ka nitroatra. Nisy avy hatrany omaly Talata 02 Jona maraina ny fivoriana niarahana tamin'ireo tompon'andraikitra, notarihin'ny Lehiben'ny Distrika Ambatoboeny, ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny vondron' ny Zandarmariam-pirenena avy ao Mahajanga, niaraka tamin'ireo Ben'ny Tanana voakasika sy ny solontenan'ny Mpamily Bajaj. Fantatra tamin'izany fa tsy nisy ny marimaritra iraisana tamin'ny fampiharana ny naoty avy any amin'ny Minisitera mampitsahatra fiasan'ireo bajaj ka nahatonga izao hatezeram-bahoaka izao. Amin'ny ankapobeny anefa dia tsy maharaka ny filam-bahoaka ireo fiara manao taxi Brousse amin'ny andavanandro hoy ny fitarainana, ka ny fisian'ny Bajaj no mety amin'ny fivezivezena hataon'ny mponina amin'ny fotoana rehetra ilana azy ireo. Ny lalàna no milaza fa tokony any an-tanàn-dehibe ihany no hahafahan'ny Bajaj mitatitra olona fa tsy mivoaka ivelan'ny tanàna. Ireo kaominina miisa telo ifamezivezen'izy ireo kosa anefa dia any ambanivohitra avokoa saingy efa samy namoaka didim-pitondrana hahafahan'ireo Bajaj miasa. Andrasana araka izany izay fanapahan-kevitra horaisin'ireo tompon'andraikitra.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny hetsika nataon'ny vahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT