RN2 VAO NASIAM-PANAMBOARANA

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ?


  • Talata 22 Oktobra 2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

mpampiasa lalana miazo iny faritra Atsinanan’ny Nosy iny. Tsy nandeha tamin’ny laoniny akory mantsy ny asa fanamboarana hoy izy ireo. Nokikisana ny lalana dia nototoina tamin’ny cylindre dia nosarontsaromana fa tsy norarahana tara akory. Ny atao hoe : manamboatra lalana dia jerena izay tena fototry ny olana ary rehefa milamina izany dia rakofana tara mba haharitra. Ankoatra izay hoy hatrany ireo mpampiasa lalana dia misy am-pahan-dalana mihotsaka eo anelanelan’Antsampanana sy Ampasimbe raha misy faritra efa ny an-tsasaky ny lalana sisa no handehanan’ny fiara rehefa mandalo ao aminy fa efa potika tanteraka ny an-tsasany. Vao milatsaka eo ny ranon’orana dia tsy haharitra ny firodorodon’ny kamiao intsony ny lalam-pirenena faharoa. Nomarihin’ireo mpampiasa lalana moa fa ny kamiao hatrany no henjehina ho manimba lalam-pirenena eto amintsika nefa mandoa vola izy ireo, hampidirina ao anatin’ilay Fond d’Entretien Routier izay tsy fantatra mazava intsony izay hanaovan’ny sasany azy nefa tokony hanamboarana sy hikojana ny lalana.
Pati
Legende : Hiverina tahaka izao ny lalam-pirenena faharoa atsy ho atsy raha tsy voajery hoy ireo mpampiasa lalana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT