RN2

Taksibrosy nifandona tamin’ny « 4x4 » nivarina tany anaty rano


  • Talata 28 Janoary 2025

Taksibrosy iray sy fiara tsy mataho-dalana 4×4 iray no fantatra fa nifandona afak’omaly Alahady 26 Janoary

tany Beforona lalam-pirenena faha-2. Nivarina tany anaty rano vokatr’izany ilay taksibrosy ka nisy tamin’ireo mpandeha tao anatiny no naratra. Antony nahatonga ny loza ny fisian’ny lavaka eo amin'ny fiviliana miala ny tanànan'i Beforona, hoy ny vaovao azo. Niala izany lavaka izany ny iray tamin'ireo fiara, antony nahatonga ny loza. Mbola ahiana hanimba fiara sy hamono ary handratra olona maro araka izany io lavaka io raha tsy misy ny asa fanamboarana hataon’ny tompon’andraikitra. Efa amam-bolana maro moa no nisian’io lavaka io hoy hatrany ny vaovao saingy tsy mbola nisy hatreto ny asa fanamboarana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay taksibrosy!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT