Fifamoivoizana

RN2_Taksibe sy kamio ary moto nifandona


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Maty tsy tra-drano ilay mpitaingina moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Ambohitrombihavana Ambohimangakely amin’iny RN2 iny ny andron’ny omaly talata 01 aogositra 2023. Moto iray sy Taxibe Ligne E ary kamiao no nifandona. Maty tsy tran-drano nandritra izany ilay mpitondra moto, izay mbola tanora dia tanora tokoa. Naratra sy notsaboina any amin'ny hopitaly ny mpamilin'ny taxi-be satria potika tanteraka ny lohan’io fiara fitateram-bahoaka io. Tsy dia naratra be kosa ilay mpamilin'ilay kamio, fa somary fanimpanina fotsiny. Mitontaly enina ireo naratra ary nalefa notsaboina any amin'ny hopitaly. Vokatry ny fandehanana mafy sy tsy fitandremana no no heverina fa isan’ny nahatonga ny loza. Entanina hatrany ny rehetra hitandrina satria tena mirongatra izay tsy izy ny lozam-pifamoivoizana indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra na an-tanàn-dehibe io na eny amin’ny làlam-pirenena samihafa.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT