RN2-MOTO NIFATRATRA TAMIN’NY KAMIAO

Teratany vahiny iray namoy ny ainy


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,

20 km tsy hidirana an’Andasibe raha avy any Toamasina hiakatra eto Antananarivo.Tera-tany vahiny miisa 4 nitsangatsangana tamin’ny moto gros cylindré izay fantatra fa nandeha mafy tokoa no tra-doza tamin’izany. Nifatratra tamin'ilay kodiarana kamiao farany indrindra ny moto iray raha nikasa hamonjy an’Antananarivo ka maty teo noho eo ny mpamily vahiny iray. Raha araka ny fantatra dia ny lohany no tena voamafy tamin’izany ka nifantsintsitra ny ra. Potika ihany koa ilay moto vokatry ny dona mafy ny nahazo azy. Avy hatrany dia nentina namonjy ny hopitaly akaiky indrindra teo an-toerana moa ny razana raha niazo an’Antananarivo nikarakara izay tokony nokarakaraina kosa ireo namany sasany. Tsiahivina fa na dia tsara sy malalaka aza ny lalana dia tokony ho voafetra hatrany ny hafainganam-pandeha na ho an’ny fiarakodia izany na ho an’ny moto hisorohana ny loza mety hamoizana aina tahaka izao.
Pati
Legende : Mipitika tahaka izao ilay tera-tany vahiny namoy ny ainy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT