Fifamoivoizana

RN2-Lozam-pifamoivoizana Namoy ny ainy ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Niharan-doza ka namoy ny ainy omaly takariva ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja (DGAP) Atoa Iramanjafinimalo Omega Rafaly.

Tra-doza any amin’ny làlam-pirnena faharoa, teo amin’ny « PK 53 » miala an’i Brickaville ny fiara tsy mataho-dàlana takelaka mena nentiny, io omaly hariva io tokony tamin’ny 6 ora sy sasany. Izy sy ny mpamily ihany no tao anatin’ny fiara, teo amin’ny fokontany Ambodivanika kaominina Ambinaninony distrikan’i Brickaville no nivarina ny fiara nitondra azy ireo. Raha ny ambangovangom-baovao, nivadika tao anaty fiolanan-dalana ka namoy ny ainy vokatr’izany ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja. Tsy afaka nialana nenina intsony ity tompon’andraikitra ambony ity vokatry ny vahavoazany. Ilay mpamily kosa naratra nentina any amin’ny hopitaly CSBII Ampasamadinika. Voalaza fa voadona mafy ny lohan’io mpamily io, ary mbola nisy aina ihany izy izao nentina tsaboina izao . Ilay Tale jeneraly kosa tsy nisy azo nialana nenina vokatr’izany loza izany. Tsara no mampahatsiahy fa ny 21 janoary 2022 izy no nandray io andraikitra io izy, fa ny 25 febroary 2022 kosa no notanterahina teny amin’ny CCI Ivato ny lanonana oisialy ara-miaramila famindram-pibaikoana amin’ny maha Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja manerana an’i Madagasikara azy. Izy no Tale Jeneraly faha-7 teo amin’ny tantaran’ny fandraharahana ny fonja. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo sy ny fianakaviamben’ny fandraharahana ny fonja sy ny Minisiteran’ny fitsarana isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT