RN2 : Loza nahatsiravina

Kamio latsaka tany ambany tetezana, tsy latsaky ny 3 no maty


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina

omaly alahady faha-19 oktobra 2025 tokony ho tamin'ny 3 Ora tolak'andro tany amin’ny lalàm-pirenena faha-2 na RN2, teo amin’ny PK 249 hiditra an’i Brickaville. Nilatsaka teo amin'ny tetezana kely antsoina hoe Parking ity ny kamio lehibe sémi-remorque izay avy any Toamasina hiazo an'Antananarivo feno entana. Latsaka tany ambany tetezana, tsy mazava izay tena antony, raha ny vaovao vonjimaika. Olona 03 no hita fa efa tsy misy aina intsony saingy izay mbola nifampisokiran’ny zandary any an-toerana niaraka tamin'ny fokonolona ny takariva. Olona 02 kosa no avotra sy nentina niazo ny Hopitalin’i Brickaville. Nankasitraka ny zandary avy amin'ny BPR izay nampian'ireo tao amin'ny Brigade territoriale Brickaville tamin'ny fandraisana andraikitra sy fanavotana ireo tra-doza ny mponina amin’ny fandraisana andraikitra.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT