Fifamoivoizana

RN2-Loza mahatsiravina 4 namoy ny ainy, 9 naratra


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Nandriaka ny rà tany amin’ny làlam-pirenena faharoa na ny RN2 omaly maraina.

 

 


 Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina mantsy ny tao Antsarimasina amin'ny lalam-pirenena, 20km tsy hidirana an'i Toamasina.
Fiarabe “semi-remorque” ireny iray no nifandona tamin'ny fiara sprinter, Taksibrosy saika hihazo Vatomandry. Maty teo noho eo ny mpamilin’ilay sprinter, ary tany amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny olona roa. Raha ny vaovao farany azo, dia tafiakatra 4 no namoy ny ainy, ary 9 kosa ny maratra. Mpiasan’ny fampianarana ny ankamaroan’ny mpandeha, nikasa ho any Vatomandry, rehefa avy namita iraka tany Toamasina. Nandeha mafy ny mpitondra ny Sprinter sady nangalatra làlana, raha ny fanazavana vonjimaika, ary efa niditra an-tsehatra nanao fanadihadiana momba ity toe-javatra ity ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Voalaza fa nihitsoka teo amin’ny “5ème” ny “levier de vitesse”, izay maneho ny fandehanana mafy, ary tsy afa-niala an’ilay fiarabe. Potika tanteraka ilay taksibrosy, indrindra fa ny faritry ny lohany. Anisan'ireo namoy ny ainy ny mpamily sy ny "Adjoint Programmation Cisco" Vatomandry. Ny Chef Cisco Vatomandry kosa nentina nitsaboina tao amin'ny Hopitaly Be Toamasina noho ny ratra nahazo azy.

MITOMBO NY LOZA REHEFA AKAIKY FETY

 Matetika mialohan’ny fety tahaka izao no hisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, ka mila mitandrina hatrany hatrany amin’ny fotoana rehetra ny mpampiasa fiara isan-tsokajiny, indrindra ny taksibrosy izay matetika manenjika “tours” satria sokajiana ho fikaramana ny ankatoky ny fety noho ny fahabetsahan’ny mpandeha. Mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ny namoy ny ainy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana, ary mirary fahasalamana ho an’ireo naratra vokatry ny loza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT