RN2 Handeha amin’izay hono ny fanamboarana !

Nampanantenain’ny Minisitry ny asa vaventy fa na eo aza ny «Autoroute » dia amboarina ny RN2,


  • Alarobia 03 Jolay 2024

ary efa mandeha ny « voie rapide » ao Toamasina. Nolazaina fa ny PK48 sy PK78 Manjakandriana-Anjiro,

dia nanaovana ezaka manokana, ary tsy misy olana intsony ny eo Mandraka. Mirefy 150km no amboarina amin’ny RN2, raha ny filazan’io Minisitra io ihany, ary efa efa vita ny famindran’asa tamin’ny tetikasa PDDR (Projet de développement durable des routes ) ka hanomboka tsy ho ela ny asa. Dia samy miandry ny fahatanterahan’izay, saingy efa tany amin’ny aogositra 2021 fony mbola Atoa Hajo Andrianainarivelo ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy no nanaovan’i Andry Rajoelina serasera hoe : “Efa niteny aho fa laharam-pahamehana ny RN2, ary efa nanome toromarika ny hanaovana azy tsy misy hatak’andro. Ny ankamaroan’ny làlam-pirenena teto dia tsy nisy fikojakojana, ka niha potika ny làlam-pirenena rehetra ». Toa vely kanota sy fanilihana ny tsy fahombiazana ho an’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy tamin’izany ho tsy nahavita ny asany, ary nizara aza moa ny làlan’ny andaniny sy ny ankilany avy eo. Ity farany, izay efa nisy fotoana naneho, fa tsy ampy hanaovana fikojakojana ny làlana ny volam-panjakana. Dia nandeha ny serasera hoe : “Ho any aho amin’ny herinandro, ary tsy maintsy amboarina ny RN2”. Nandeha amin’izay ny seraseran’i Andry Rajoelina taorian’izay, ka tonga hatramin’ny fampisehoana fa orinasa miisa 3 no hiara-hiasa hanao ny làlana, eny fa nampiseho hatramin’ireo « engins » saingy mandrak’ity ny androany mbola fampanantenana isaky ny mandeha. Mety tena hisy asa tena handeha sy hahomby kosa amin’izay angamba amin’ity e? Tsy ny RN2 irery ihany fa mbola fanontaniana mipetraka tsy mbola nahitam-baliny mandrak’androany ilay hoe : nankaiza ny volan’ny Fonds Routiers tokony ho nikojakojana ireo làlam-pirenena izay tapitra potika ? Sa takonana amin’ny kely atao toy ny Autoroute 25km amin’ny 260km hatramin’ny faran’ny taona na koa ny RN13 izay hitrongisam-bola amin’ny orinasa lehibe iray ao Taolagnaro ny be tsy natao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT