RN2 - FIARA

ROA ISAN'ANDRO NO TRA-DOZA


  • Alarobia 12 Aogositra 2026

Mpamily kamiao iray indray no namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin'ny lalam-pirenena faharoa. Ny alin'ny Alatsinainy 10 Aogositra teo nifoha omaly Talata 11 Aogositra no nisehoan'izany. Nivarina tany anaty hantsana ny fiara lehibe iray mpitatitra entana. Teo Antsirinala teo amin'ny fiolanana 12 km tsy hiditra Moramanga io toerana io. Tsy fantatra na torimaso fotsy na olana avy amin'ny fiara no nahatonga ny loza fa ny feo nidoboka mafy no henon'ny mponina tamin'ny tanàna manodidina ka nahatonga azy ireo nijery ny zava-nisy sy niantso ny mpitandro filaminana. Raha ny hita dia ny mpamily irery ihany no tao anatin'ilay fiarabe io. Nipitika tafavoaka tany anaty fiara izy ary hita tsy nisy fofon'aina aina intsony. Efa noraisin'ny fianakaviana ny razana raha ny vaovao azo farany ary efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa fiara roa isan'andro raha kely amin'izao vakansy lehibe izao no tra-doza any amin'ny lalam-pirenena faharoa raha araka ny fanadihadiana natao. Lohalaharana amin'izany ireo fiara taxi-brousse sy ny kamiao toy ity tra-doza ity. Miantso ny mampiasa lalana rehetra ho mailo araka izany ny tompon'andraikitra.
Nangonin'i Pati
Légende : Nobataina tahaka izao ny razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT