Fifamoivoizana

RN13 nanaovana velirano 114 amin’ny 493 km no amboarina


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Nijery ny ambara fa fivoaran’ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13 ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo. Ity RN13 ity izay nanaovany fampanantenana fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita io.

Efa hatrany amin’ny 2020 no nolazaina fa hanomboka ny asa, nitohy ny 2021,… saingy ny jona 2022 vao nandeha ny lanonana fametrahana vatofotra. Somary narisarisa ny firosoan’ny asa. Tsara ihany koa ny manamarika sy mampahatsiahy, fa misy endrika fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana ihany ny fanamboarana ny RN13 satria ny 30 novambra 2017 tany Abidjan Côte d'Ivoire , nandritra ny fihaonana an-tampony fahadimin'ny vondrona Afrikana sy Eoropeana no natao sonia ny famatsiam- bola hanamboarana ny RN6 ( Ambanja - Antsiranana ) sy ny RN13 (Ihosy - Tolagnaro). Famatsiam-bola hatrany amin'ny 235 tapitrisa Euro avy amin'ny BEI (Banque Européenne d'Investissement) sy ny UE (Union Européenne) no azo hanaovana ireo lalana ireo. Na izany aza, mirefy 493km ny RN13 saingy ny 114km mampitohy an'ny Taolagnaro sy Ambovombe ity resahin’ny Fanjakana ity. Nijery ny firosoan'ny asa fanamboarana teo amin'ny PK92 Manambaro sy PK68 ny tenany nandritra ny diany tao amin'ny Faritra Androy.. “Miroso hatrany ny asa fanamboarana ny RN13 mampitohy an'Ambovombe sy Taolagnaro izay efa velirano nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny vahoaka no tsy maintsy hanamboarana izany”, hoy ny Fanjakana. Nohamafisin'ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy miova ny tantaran'ny faritra Atsimon'ny Nosy amin'ireo fotodrafitrasa goavana napetraky ny Fitondram-panjakana ao an-toerana. Zava-dehibe ny fanamboarana saingy mbola baraingo hoe: rahoviana marina no ho vita mba tsy holalaovina hanaovana serasera sy fandokafan-tena lava? Ho vita ao anatin’ny 2 taona tokoa ve? Izay ny any Atsimo fa mby aiza ankehitriny ny Flyover etsy Ampasika sy Anosizato nambara fa hamahana ny olan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo? Mby aiza ilay “voie rapide” 10km efa nametrahana vatofototra tao Toamasina efa 4 taona eo izay?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT