RN13_Kamio be nofahon’ny ranotrambo

Tafakatra hatrany amin’ny 30 namoy ny ainy


  • Zoma 29 Novambra 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny RN13, tany amin’ny 20 km

eo ho eo miala ny tanànan'i Betroka, avy ao avaratra raha avy any aty Amboasary Atsimo ho any Ilakaka omaly tolakandro tokony tamin'ny 05 ora hariva. Fiara karandalina an’ny Kôperativa Trans Mahefa nitondra olona manodidina ny 90 no tratry ny ranotrambo, raha niampita tetezana, hany ka narosiky ny rano ary nivadika sy difotra. Matetika ny zaza kely ataon’ireo ambany seza, hoy kosa ny fanamarihan’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana raha niditra tamin’ny fahitalavitra iray omaly. Tra-doza tao ireo mpandeha maro be, olona maro no namoy ny ainy, betsaka no mbola tsy hita popoka,… Am-polony no voalaza fa namoy ny ainy, saingy raha ny vaovao ofisialy voaray omaly tamin’ny 8ora alina, miisa 7 no voamarina fa maty, izay zaza ny 3, ary olon-dehibe ny 4. Mbola betsaka ireo tsy hita popoka ka anisany ny mpamily, ary nisy zaza vao 1 volana monja voalaza fa lasibatra raha toa ka avotra ny reniny, raha ny vaovao azo tamin’io ora io. Tafakatra 30 anefa ireo olona maty, raha ny vaovao vonjimaika tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Tsy fantatra mazava ny isan’ny olona, ka tokony hanara-maso ireo mpitatitra ny mpitandro ny filaminana. Niara-nifarimbona sy nifanome tanana ny rehetra amin'ny famonjena ny ain'ireo niharam-boina moa ny rehetra rehetra ka ankoatra ny fokonolona dia teo ny mpitandro ny filaminana, ny mpiasan’ny fahasalamana,… Mirary fiononana ho an’ireo namoy havana, ary maniry fahasalamana ho an’ireo naratra isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT