RN10-KAMIAO NIVADIKA

Am-polony naratra mafy


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina tao Behavandra, lalam-pirenena fahafolo. Kamiao lehibe iray

izay marihina fa mpitondra entana no nitondra olona maromaro saingy nivadika ka olona am-polony no naratra mafy. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia zaza amam-behivavy ny ankamaroan’ireto farany ka misy ny tapa-tongotra, misy ny tapa-tanana…. Na izany aza tsy mbola nisy kosa ny aina nafoy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Efa nentina nihazo ny hopitaly akaiky ilay toerana nitrangan’ny loza rahateo ireo naratra rehetra. Raha araka ny fantatra moa dia niala lavaka ity kamiao ity. Ny entana anefa teo an-daniny navesatra ka tsy nahazaka izany ilay fiara hany ka nivadika avy hatrany. Tsiahivina hatrany moa fa ny 80%-n’ny loza miseho tahaka izao dia vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara avokoa. Ny 20% ambiny kosa dia vokatry ny tandrevaka hataon’ny mpamily toy ny fandraisana zava-pisotro mahamamo, ny tsy fahampian’ny torimaso, ny fandehanana mafy…..Tsy ho an’ny lalam-pirenena fahafolo ihany fa mbola betsaka ireo faritra eto amintsika no tsy misy taxi-brousse antony manosika ireo mpandeha hitaingina itony kamiao lehibe mpitatitr’entana itony. Mbola adidin’ny fanjakana avokoa izany rehetra izany saingy toa tsy misy mpijery mihitsy na dia efa aina maro aza no nafoy.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay kamiao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT