RN1

Namono lehilahy iray indray ny moto


  • Talata 23 Septambra 2025

Manao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana

vokatry ny fitaingenana moto na kodiaran-droa any amin'iny lalam-pirenena voalohany iny. Taorian'ireo moto 2 nifampitrongy ka naharatrana olona 2 dia moto iray avy eto an-drenivohitra hiazo an'Ampefy nidona tamin'ny rindrina indray omaly Alatsinainy 22 Septambra no namono lehilahy iray 50 taona. Tao Faratazana Miarinarivo no nitrangan'izany. Raha araka ny fantatra dia tsy voafehin'ilay mpamily ny familiana ilay motony ka rehefa niditra fiolanana dia nivoaka ny lalana ka nidona mafy tamin’ny rindrina. Potika tanteraka vokatr'izany ilay moto raha nirodana koa ilay tamboho niantefan’ny loza. Na dia nentina haingana tao amin’ny CHRR Miarinarivo aza moa Itompokolahy dia tsy tana ny ainy hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin'i Pati
Légende : Sady potika ilay moto no namoy ny ainy ilay mpamily azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT