Fifamoivoizana

RN1 Bis Maintirano- Tsiroanomandidy Nitera-doza namono olona ny lalan-dratsy


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny haratsian-dàlana any amin’ny RN1 Bis mampitohy an’i Maintirano sy Tsiroanomandidy ny faran’ny herinandro teo.

Mampiteny ny moana ny haratsin’ny làlana satria ireny fiara tsy mataho-dàlana ireny no atao taksibrosy, saingy ady mafy vao tonga any amin’izay haleha. Fiara tsy mataho-dàlana na « 4x4 » miisa 9 no niara-niala tany Maintirano, saingy ny telo tonga soamantsara, ny iray io tra-doza io satria latsaka tany anaty hantsana, ka ny mpamily no namoy ny ainy, ary maro ny naratra. Efa ratsy hatrizay, ary vao mainka loza amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao. Ohatra iray amin’ny haratsian-dàlana iny, fa isan’ny mampikolay tanteraka ny RN10 miazo an’Ampanihy, ny RN13 na nanaovana « werawera » hatramin’ny volana jona aza ny hoe : manomboka ny fanamboarana, tsy tena hita izay vita. Ny 107 km mampitohy an’Ambovombe-Taolagnro 107 no nambara fa hatao, fa ny ambiny 400 km hatrany Ihosy mbola ady mafy. Raha efa an-taonany no nanaovana serasera fa hanomboka ny RN13 dia ny tapak’ity volana desambra ity no namoaka 73,6 tapitrisa euros ny BEI na ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola ho an’ny fanamboarana ny RN13 izay tena ratsy. Vao telo andro ihany koa izay no nisy fiara « Tata » iray tamin’ireo niaraka nanao « caravane » niala tao Taolagnaro no nivadika tao anaty rano 43 km hidirana an’i Betroka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT