Fifamoivoizana

RN 7 Nirosoana ny vahaolana vonjimaika


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Taorian’ny fihotsahana nateraky ny rivo-doza, nisy ny fanamboarana vonjimaika tany amin’ny RN7.

Efa misokatra ho an'ny fiara madinika sy ny fiara fitateram-bahoaka ary ny fiara vaventy ny fivezivezena eo amin’ny PK 416+300, mandalo ny Fokontany Mahazengy, Fianarantsoa, nanomboka omaly 03 janoary tamin’ny 2 ora tolakandro. Lalana nototofana no ampiasaina. Efa an-dalana kosa ny fiarabe mitondra ny “pont modulaire” hapetaka amin’ity toerana ity. Heverina ho vita hatramin’ny sabotsy izao ny asa fametrahana izany, hoy ny fanazavana. Nidina tany an-toerana manaraka akaiky ny fivoaran'ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Manentana ny mpampiasa lalana hanana faharetana mandritra ny asa fanarenana ny Minisiteran'ny Asa Vaventy.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT