RN 7, AMPITATAFIKA

Lehilahy maty nofaohan'ny fiara


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Lehilahy iray mpitondra bisikileta no maty nofaohan'ny fiara

kely miloko manga omaly Alarobia 10 Septambra folakandro tany Ampitatafika, lalam-pirenena fahafito. Maty teo noho eo io lehilahy io raha nandositra kosa ilay mpamily. Raha araka ny vaovao azo dia mbola nitondra entana handeha hamidy io lehilahy io. Indrisy anefa fa sendra ny tsy nampoizina izy ka izao namoy ny ainy tsy fidiny izao. Efa naterina tany amin'ny tranom-paty ny razana. Tsiahivina moa fa mety kokoa ho an'ny mpamily nanitsaka olona tahaka izao ny mitolo-batana na inona na inona tahotra fitsaram-bahoaka. Vao mainka manamafy ny saziny mantsy ny fitsoahana sy fialana andraikitra tahaka izao. Mbola nifampitadiavana ilay hatramin'ny fotoana nanoratanay.
Pati
Légende : Ity ilay olona namoy ny ainy sy ilay fiara nandona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT