RN 4

Sesilany ny loza mahatsiravina


  • Talata 13 Mey 2025

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona.

Tany amin’ny RN 4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, loza lehibe 2 samihafa no nitranga ny faran’ny herinandro teo. Nampivarahontsana ny loza nahazo ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite tsy miankina iray eto Antananarivo nikasa hanao dia fibezana na « voyage d’étude » saingy nivarina tany anaty hantsana teo anelanan’i Mahatsinjo sy Ankazobe ny fiara nitondra azy ireo ny alahady maraina teo. Vokany, 2 no maty, 29 hafa naratra. Ny takarivan’io alahady io indray ny tokony ho tamin’ny 4 ora sy 45 mn, teo amin’ny tetezana Ampisavakaratra (Faritra Betsiboka), fiara Sprinter iray nitondra mpandeha avy aty Antananarivo ho any Ambanja no nifandona tamin’ny kamiao lehibe iray noho ny fahatapahan’ny frein na tsindry hisatra. Tsy afa-nifehy intsony ny fiara ka nidona mafy tamin’ny vodin’ilay kamiao ilay Sprinter, teo amin’ny tetezana mihitsy no nisehoan’ny loza. Voasaringotra mafy tao amin’ny “devant” ilay mpamily sy mpandeha iray teo akaikiny. Samy naratra mafy izy roa, ka tapatapaka tongotra, ary voatery nosokirina tao anaty fiara nandritra ny ora roa mahery, hoy ny tatitra. Naratra ihany koa ny mpanampy mpamily, raha toa kosa ka tsy nisy aina nafoy, ary tsy dia nahitana ratra lehibe ny mpandeha hafa tao anatin’ilay fiara. Raha ny fanazavana dia mbola niteny sy nahatsiaro tena ireo naratra lehibe nandritra ny fitaterana azy ireo ho any amin’ny toeram-pitsaboana. Ilaina ny fitandremana, ilaina ny fahatomombanan’ny fiara, ilaina ny fanajana ireo fepetra samihafa toy ny hoe : mila fahazoan-dalana ny fiara mitondra mpianatra hanao dia fibeazana, mila mpamily mpanampy raha vao mihoatra ny 400km ny lalana halehan’ny taksibrosy,…
Nangonin’i Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT