Fifamoivoizana

RN 32 Ahiana ho tapaka ny lalana


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Tsy vao izao no nikaikaika ny faharatsian` ny lalana ao amin` ny faritra SOFIA ny mponina any an-toerana. Ny lalàm-pirenena faha-32 izay mampifandray an` Antsohihy amin` i Mandritsara,

 

 

ohatra, dia efa mampitaraina an` ireo mpampiasa lalana. Manahy mafy ankehitriny ny mponina mampiasana izany lalàm-pirenena izany fa misy fahasimbana ihany koa ny tetezan'i Sofia na Pont Sofia, izay mampitohy ny distrikan' Befandriana Avaratra sy Mandritsara iny. Omaly dia nidina ifotony nijery ny fahasimban'izao tetezana izao ny solontenam-panjakana, izay nahitana ny olom-boafidy sy olom-boatendry vitsivitsy. Efa andro maromaro no nahitana izao fahasimbana izao. Vokany mijaly ny mpampiasa làlana satria ahiana hitera-doza ity fahasimbana ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT