RN 23A makany Anosibe an’ala

Tsy tongan'ny fiara intsony


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Ho tanterahina eny amin'ny Le relais des plateaux Talatamaty ny alakamisy 26 septambra 2024

hoavy izao ny fivorian'ny zanaka am-pielezan'ny distrika an'Anosibe an'ala sy ireo sakaiza miraiki-po amin'ity distrika ity, izay ho tarihin'ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana sy ny filohan'ny Fikambanan'ny zanak’Alaotra Mangoro Toamasina sy ny «direction de l'administration générale régional» fitantanana ankapobeny ny faritra ary atrehin'ny governoran'ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny fampitam-baovao voaray. Antony dia handinihana ny fampandrosoana any an-tanindrazana, indrindra ny resaka lalana, izay efa potika tanteraka amin'izao fotoana izao, hoy ny fanazavana. Isan'izany, ohatra, ny lalam-pirenena faha 23A na RN 23A mampitohy an'i Moramanga sy Anosibe an'ala izay mirefy 71 km eo ho eo. Ity lalana ity dia efa tsy tongan'ny fiara intsony na dia fiara tsy mataho-dalana aza fa kamiao mitondra entana no tonga any an-toerana. Vokatr’izany dia midangana ny vidim-piainana, indrindra fa ny vidin’entana ilaina an-davan’andro na PPN. Moto no manao ny asa fitaterana ka 1 hetsy Ariary no saran-dalana amin'izany. Manoloana izany dia antsoina isika zanaka am-pielezana rehetra mba ho tonga hanatrika ity fotoana ity, hoy hatrany ny fanentanana sy antson’ny zanak’Anosibe an’ala.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT