RN 1, mpifankatia nandeha moto tra-doza

Maty tsy tra-drano ilay lehilahy, tapaka ny fen’ilay vehivahy


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

omaly alahady. Araka ny vaovao vonjimaika niely, mpifankatia nandeha moto

no nifandona tamin’ny fiara taksibe avy any Imeritsiatosika. Mafy dia mafy ny fifandonana, ary hita taratra tamin’ny fahapotehan’ilay moto izany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay lehilahy mpitondra moto, raha tapaka sy nipitika ny fen’ilay vehivavy niaraka taminy. Tena sesilany ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona ka isan’ny tena betsaka ny tranga ho an’ny kodiaran-droa. Saika isan’andro satria omaly takariva dia moto iray hafa ihany koa no nifandona tamin’ny fiara marika tsy mataho-dàlana marika Hyudai, izay soa fa tsy nisy ny aina nafoy, saingy naratra nifamonjena ilay mpamily kodiaran-droa, raha ny fanamarihana. Hamafisina hatrany ny fanentanana ny mpampiasa làlana hitandrina sy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ary hifampitsinjo fa tsy hifampisetrasetra.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT