Fifamoivoizana

RN 1 mihazo an’i Fenoarivo Voarara ho an’ny fiara mihoatra ny 15 taonina


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

RN 1 mihazo an’i Fenoarivo Voarara ho an’ny fiara mihoatra ny 15 taonina hahasimban’ity lalana ity indray izay marihina fa efa dibo-drano tanteraka tsy azo nampiasaina intsony, taona vitsy lasa izay.

 Mandritra telo andro no hisian’izany, fanapahan-kevitra izay nambaran’ireo mpampiasa fiara vaventy mitaona vokatra avy any andrefana fa mety hisy fiantraikany amin’ny vidin’entana eto amintsika. Saika any  amin’iny lalam-pirenena voalohany iny avokoa mantsy toy ny ao Bemahatazana, Arivonimamo, Tsiroanomandidy… ireo legioma sy vary hamidy etsy amin’ny tsenan’Anosibe. Nambaran’ireo mpitatitra moa fa efa nangataka tamin’ny minisitera izy ireo ny hitatitra ny vokatra amin’ny andro alina saingy tsy nahazo valiny mahafa-po izy ireo. Nangataka ny tokony hampitomboana  ny lanjan’ny fiara hatrany amin’ny 16 taonina ihany koa izy ireo saingy tsy nahazoany valin-teny mahafa-po ihany koa. Tsara ny mampahatsiahy fa zava-doza no hitranga eto an-drenivohitra raha ny lalana mihazo an’i Fenoarivo no sanatria hihotsaka na tapaka. Hihitsoka ny famatsiana, hitoka-monina ihany koa ny tanana ankoatra ireo olona maro mety hamoy ny ainy vokatry ny fitaingenana lakana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT