RN 1 mamono olona matetika

Naka vehivavy iray sy mpitondra moto iray indray


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Tsy mitsahatra maka olona ny lalam-pirenena voalohany. Olona roa no indray lasibatra ny faran’ny herinandro

teo ka ny iray vehivavy handeha hamonjy fodiana nofaohan’ny Kamiao. Teo amin’ny sampanan’i Malaza no nitrangan’izany ka maty tsy tsa-drano teo noho eo. Niparitaka mihintsy ny taovany sy ny entanakely nentiny tao anaty harona. Ny iray indray mpamily kodiaran-droa nifandona tamina kamiao ihany koa teo amin’ny kihon-dalana hiditra an’i Miarinarivo. Maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ihany koa ilay mpitondra moto raha potika tsy nisy noraisina ilay moto nentiny. Tsiahivina moa fa rehefa faran’ny herinandro dia tena marobe tokoa ireo moto miazo iny lalam-pirenena voalohany iny. Tsy vitsy ireo manao randonnée izay misy maty foana matetika. Tsy ny rehetra anefa no voakasik’izany fa misy ireo tena mitandrina sy mametraka fikarakarana matotra ary tantanana fikambanana misy fitsipika. Misy kosa anefa ireo mifampitaona fahatany fotsiny ka tsy manao randonnée akory fa tena mifaninana mandeha mafy mitsapa ny herin’ny moto. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra voakasika mba hijery akaiky ireny karazana moto manao randonnee sy mitsapa hery mampiasa ny lalam-pirenena voalohany ireny.
Pati
Legende : Tahaka izao ireo loza namoizana ain’olona roa tany amin’ny RN 1 tamin’ny Sabotsy teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT