Fifamoivoizana

RN 1 Anosizato - Fenoarivo Hitarina ny arabe


  • Talata 19 Desambra 2017

Tsy maintsy hitarina ny lalam-pirenena voalohany manomboka etsy amin’ny tetezan’Anosizato ka hatreny amin’ny kaominina Fenoarivo ialana amin’ny fitohanana lavareny mampijaly ny mpandeha isan’andro.

 

Efa roa volana izao no nametraka   tsatòka (piquet)  mamantatra  ny toerana tsy azo hanorenana eny amin’iny faritra iny ny minisiteran’ny fanajariana ny tany hahafahan’ny olona miomana, hoy Andriamanohisoa Gerard, tale jeneraly iray eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, omaly. Tafiditra ao anatin’ilay 15 metatra natokana ho an’ny arabe izy io ka tsy maintsy alana amin’ny toerany avokoa. Raha misy ireo milaza  fa nahazoany taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina ny asa fanorenana nataony dia tompon’andraikitra feno ilay Ben’ny tanàna. Nomarihiny fa tsy fantatra mazava ny fotoana hanombohan’ny asa. Ankoatra ity asa fanitarana ny lalam-pirenena voalohany ity dia fantatra ihany koa fa hisy ny fananganana tetezana lehibe eny Avarabohitra Itaosy hampitohy azy amin’Anosipatrana, ialana amin’ny fitohanana hatrany.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT