RIP 7 : FENOARIVO-ALATSINAINY AMBAZAHA

Ho afaka ampiasaina ato ho ato, hisy taksibe amin’izay


  • Talata 13 Aogositra 2024

Mahatratra 45.000 ny isan’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Fenoarivo,

distrikan’Atsimondrano amin’izao. Ny mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Bruno Solofoharimanana dia tsy mba manana tobim-piantsonana ho azy manokana mihitsy izy ireo fa lasa vonjimaika fotsiny ihany, lalovan’ireo taksibe miazo an’Alakamisy Fenoarivo, Ambatomirahavavy….Tsy misy vola miditra amin’ny kaominina avy amin’ireo kaoperativam-pitaterana mihitsy vokatr’izany. Eo an-danin’izay ihany koa dia mijaly ny mponina amin’ny fakana taksibe noho ireto farany efa feno avy any amin’ny toerany hiaingany. Noho ireo antony ireo indrindra no nanaovan’ny Ben’ny tanana sonia ny asa fanamboarana ny RIP 7 na ny Route d’Intérêt Provincial izany mampitohy ny kaominina Fenoarivo sy Alatsinainy Ambazaha ary Fiadanana. 400 m amin’ny 1km sy 900 sisa no tsy vita dia ho afaka hiasa tanteraka ity RIP 7 ity. Ny Ministeran’ny Asa vaventy amin’ny alalan’ny Fond d’Entretien Routier no mamatsy vola ny asa. Rehefa vita soa aman-tsara io lalana io dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ny faran’ny lalana ny koperativa kofiamo sy ny Transmar araka ny fiangaviana nataon’ny Ben’ny tanana tamin’izy ireo haka ireo mpandeha. Mety hovelomina ihany koa ny Koperativan’ny Fikambanana Tsimialonjafy na ny KOFITSI mba hisian’ny volakely miditra amin’ny kaominina, raha araka ny fanazavana azo hatrany.
Pati
Legende : Izy no Bruno Solofoharimanana, Ben’ny tananan’ny kaominina Fenoarivo, Distrikan’Atsimondrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT