Resitory ny mpamily, nivadika ny fiara

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy, 3 naratra


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe : Kopile Pierre no namoy ny ainy raha 03 hafa naratra mafy.

Io no vokatry ny Lozam-pifamoivoizana, nahazo ny fiarakodia iray nitondra ireo mpampianatra 31 mianada ao amin'ny " Lycée Privé Saint Vincent de Paul" Farafangana, raha niverina avy tany Toliara izy ireo afak’omaly Sabotsy. Tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Amporoforo Fokontanin'i Tsoroboy any amin’iny lalam-pirenena faha-12 iny mo nitrangan’ny loza, 31 km hiditra an'i Farafangana. 41 mianadahy izy ireo no niaraka avy nanao fitsangatsanganana, fialan-tsasatra, ary fifanakalozana traikefa tamin'ireo samy mpanabe saingy efa nihintsana tao Ambalavao, Ihosy… ireo mpampianatra sasany.
Resin-tory ny mpamily ka izay no nampivadika ilay fiara nentiny. Nitsoaka niala tao anatin'ny fiara saika hanavotra ny ainy kosa Itompokolahy Kopile Pierre nandritra izany ka tany amin'ny ilany nisy azy no nivadihan'ny fiara ary voatsindry tao ambany izy. Tsy tratra intsony ny ainy vokatr’izany. Namela kamboty valo mianadahy ny anaolahy. Mpampianatra taranja Filozofia ao amin’ny lisea tsy miankina Saint Vincent de Paul Farafangana moa Itompokolahy fony fahavelony, raha tsiahivina.
Pati
Legende : Itompokolahy fony fahavelony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT