Fifamoivoizana

Resevera Mijoro adin’ny 13 ora, mikarama 5.000 Ar isan’andro


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Tafiditra ao anatin’ireo asa mafy indrindra hamelomam-bady aman-janaka ny asana resevera.

Saika manao io asa io avokoa anefa ny 80%-n’ireo tanora zazalahy zanaky ny sahirana ara-pivelomana eto an-drenivohitra sy ny manodidina tsy afaka nanohy ny fianarany hatramin’ny farany fa nijanona teny an-tenantenany. Maro amin’izy ireny no tao amin’ny kilasy fahaenina noho izany dia nijanona ary nanaraka olona teny rehetra teny. Misy mba tonga tao amin’ny kilasy fahasivy kosa ny sasany saingy tsy afa-panadinana BEPC dia namoy fo ka naleony nitady asa….Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’i Tahiana, resevera iray eny Atsimondrano eny dia adin’ny 13 ora isan’andro izy no mijoro izany hoe : manomboka amin’ny 04 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora hariva, fotoana tsy maintsy hodiana hanaterana fiara manatanteraka ity asa ity. Tsy handraisana karama raikitra isam-bolana izany raha araka ny fanazavany fa izay amboniny azo amin’ny versement anjaran’ny tompona fiara isan’andro no hifampizarana ka 5.000 Ar isan’andro izany raha betsaka indrindra. Mafy ilay asa raha araka ny fanazavan’i Tahiana hatrany. Narary mihitsy aho tamin’ny voalohany hoy izy namolaka ny hozatra rehetra tamin’ny fijoroana. Mbola hafa ihany koa anefa ny hery hiantsoana mpandeha mandrapaharivan’ny andro ankoatra ny fiasana saina amin’ny fitadidiana ny famerim-bolan’olona sy ny fitadiavana vola madinika. Nomarihin’i Tahiana anefa fa tsy misy asa mora izany amin’izao. Aleo mihinan-kely hoy izy toy izay mahandro fotsy ka tsy maintsy hiaretana sy hiainana izay misy eo. Efa 2 taona izao no nanaovan’i Tahiana ity asana resevera ity.
Pati

Legende : Izy no Tahiana, mankafy hatrany ny asany na dia tena mafy aza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT