Rendrarendran’ny mpitondra

Hanomboka ny 06 mey ny andrana ho an’ny teleferika


  • Zoma 05 Aprily 2024

Herinandro taorian’ny fanendrena ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana

Atoa Gérard Andriamanohisoa, tonga nitsidika ny fizotry ny tetikasa teleferika ny tenany omaly. Nambara tamin’izany fa voahaja tsara ny fe-potoana fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny zotra mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Efa mandeha ny asa fikirakirana ireo tariby ho ampiasaina amin'izany amin'izao fotoana izao. Hanomboka ny 6 mey 2024 izao ny andrana amin'ny fandehanan'ny teleferika ahitana izany mivezivezy etsy Anosy hatrany Soarano, ary ny 26 jona 2024 dia efa hiasa tanteraka ny fitaterana miloko volomboasary Anosy-Ambatobe, hoy ny fanazavana. Resy lahatra tanteraka ingahy sekreteram-panjakana fa hampihena betsaka ny toham-boivoy ity teleferika ity na dia fantany aza, hoy izy, fa maro no tsy mino an'izany. Tetikasa isan’ny nampiady hevitra hatry ny ela moa izy io, izay nitrosana hatrany amin’ny 153 tapitrisa dolara. Tena io ve no laharam-pahamehana eo anatrehan’ny olana manjo ny firenena ankehitriny ? Isan’ny nanjehana mafy ny depiote sady kandida Filoham-pirenena farany teo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa, izay tao anatin’ny antokon’ny fitondrana teo aloha nenjehina mafy rehefa nilaza fa ny làlam-pirenena potika manerana ny distrika no mila jerena aloha. Ny kandida Tahina Razafinjoelina nisy fotoana efa naneho, fa raha ny vola atontona amin’io dia mety nahafahana nanangana toby mpihary herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina hahafahana mamatsy ireo hopitaly sekoly ka mampihena ny vesatra amin’ny jirama,… Ara-tsosialy sy ara-toekarena, tena zakan’ny Malagasy ve ny saran-dàlana manodidina ny 4000Ar isaky ny mitaingina amin’izao fari-piainana sy fahefaha-mividy ambany dia ambany izao? Sa hoboriboriana amin’ny tahaka ireo karazam-pitaterana samihafa efa misy ihany ka arakaraka ny any am-paosy no taingenana? Vao mainka fanaovana tsinontsinona ny Malagasy izany satria trosa amin’ny anaran’ny vahoaka io, ka ny rehetra no miara-manefa azy amin’ny alalan’ny hetra samihafa.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT