Ravinala Airports

Tsy niova ny tamberim-bidy


  • Zoma 03 Mey 2024

Tsy niova ny tamberim-bidy raisin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Ravinala Airports

isaky ny mpandeha miainga avy ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be, raha ny fanazavana voaray omaly. 22 Euros, isaky ny tapakila mandroso sy miverina io tamberim-bidy io ho an'ny sidina anatiny. 55 Euros, isaky ny tapakila kosa izany ho an'ny sidina iraisampirenena ary 52 Euros ho an'ny sidina mankany amin'ireo faritra anatin'ny ranomasimbe Indianina. Azon'ny Ravinala atao ny mampiakatra ireo arakaraky ny fiakaram-bidy misy fa nitazona izay napetraky ny ACM na «Aviation Civile de Madagascar» tamin'ny 2016 ny kaompania. Tsy niakatra mihitsy, noho izany, ny tamberim-bidy noraisiny fa dia nisy fiakaram-bidy 38,5% aza tato anatin'ny 5 taona. Niakatra daholo anefa ny tamberim-bidin'ny seranam-piara manidina isaky ny tapakila miala avy eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT