Ravinala Airports

Mpandeha vaovao miisa 200 000 no tanjona


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Mikendry ny hahazo mpandeha 200.000 isa vaovao ny Ravinala Airports izay orinasa

mpitantana ny seranam-piamanidina etsy Ivato manomboka amin’ity taona vaovao 2025 ity. Hatreto mantsy dia manodidina ny 900.000 eo ho eo ireo mpandeha azontsika tanterin’ireo fiaramanidina miisa 6 eo anivon’ny Madagascar Airlines. Anisan’ny antony hanaovan’izy ireo ny asa fanamboarana sy fanavaozana goavana eo anivon’ity seranam-piaramanidina iray izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpandeha. Tsy latsa-danja amin’ny fanamboarana ny tobim-piantsonan’ny fiaramanidina izay mitentina 11,47 tapitrisa Auros…ohatra ny fanatsarana ny tolotra toy ny tsy fitazomana ela ireo mpandeha avy any ivelany tonga eto Madagasikara. Misy mihoatra ny ora 2 mantsy izany ho an’ny sasany, raha ny fitarainana voaray. Tsiahivina moa fa amin’ny tapaky ny volana Oktobra any ho any vao hifarana ny asa fanamboarana tanterahin’ny orinasa Ravinala Airports ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho an’ny Terminal domestique misy ankehitriny moa dia fantatra fa havadika ho toerana handraisana ireo mpandeha hiondrana any ivelany izany. Ho an’ny Terminal International teo aloha indray dia natokana handraisana ireo mpandeha rehetra tonga avy any ivelany izany….
Pati
Legende : Ny tale jeneralin’ny Ravinala Aiports nanazava ny fizotry ny asa tamin’ny mpanao gazety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT