Raveloson Miah Tsiambaratelo vao 22 taona

Maty irery teo amoron-dàlana, nitsoaka ny fiara nandona azy…


  • Zoma 19 Jolay 2024

Hatairana ny an’ny mpandalo raha raha nahita tovovavy maratra mafy nihampatra teo an-tsisin-dàlana tsy

lavitra ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera teny Nanisana, ny marainan’ny alarobia 17 jolay teo. Rehefa nojerena, dia efa tsisy aina intsony, fa vatana mankatsika ity nidaboka tamin'ny sisin-dalana. Tovovavy vao 22 taona monja ity namoy ny ainy ity izay tsy hisa fa Ramatoakely Raveloson Miah Tsiambaratelo, tanora sangany amin’ny kilalaon-tsaina « échecs », efa nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena maro toy fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny maro hafa. Rehefa nandeha ny fitsirihana samihafa nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana, dia nivoitra fa niharan'ny lozam-pifamoivoizana izy ary nandositra ny fiara na moto nandòna azy. Naterin'ny BMH teny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny vata mangatsiakany, ary nanokatra fikarohana kosa ny polisy. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana izay nahavanon-doza, izay heloka sy vesatra maro no hanenjehana azy, dia ny fanaovana lozam-pifamoivoizana, tsy famonjena olona tra-doza na « non assistance de personne en danger), fitsoahana taorian’ny fanaovana lozam-pifamoivoizana na « délit de fuite », famonoana olona tsy niniana natao,… Betsaka ny fanamarihana maneho, fa maro loatra ny tranga fitsoahana na "Délit de fuite" ka hilana fepetra manokana sy hentitra. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ity tovovavy kely namoy ny ainy noho ny tsy fitandreman’ny hafa sy tsy firaharahiana olona tra-doza ity isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT