RANDRIANARISOA JEAN HARILANTO

Ny « démonétisation » ihany no hahafahana mifehy ny taksibe


  • Alakamisy 22 Mey 2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

amintsika na eto an-drenivohitra izany na any ivelan’ny renivohitra. Tsy misy izay tsy mikolay amin’izany ny mpandeha isan’andro. Anisan’ny tena tsy zakan’ny rehetra ny fiodinana an-dalana, ny fodiana alohabe loatra, ny fanalana mpandeha eny am-pandehanana…. izay samy tsy misy manaja ny bokin’andraikitra avokoa. Nambaran-dRandrianarisoa Jean Harilanto, filohan’ny koperativa Mirindra fa ny demonetisation ihany no hahafahana mamaha izany olana rehetra izany. Ny Sofera sy ny resevera hanara-dalana hoy izy raha vantany vao tanteraka izany satria tsy handany andro handeha mafy etsy sy eroa sy hifanenjika intsony. Tsy handray mpandeha etsy sy eroa intsony koa izy ireny. Ny demonetisation hoy izy dia tsy misy vola kirakiraina intsony fa digital no miasa. Foana hatreo ny olana vola sandoka, ny famerim-bola adino izay miteraka fifamaliana eo amin’ny resevera sy ny mpandeha… Hangaraharaha ihany koa ny fiasan’ny mpamily sy ny resevera hoy izy ary ho afaka mijery ny mahaolona ny mpitatitra satria mitombo ny vola miditra.
Pati
Legende : Randrianarisoa Jean Harilanto, filohan’ny koperativa Mirindra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT