Ilana fahaizana sy traikefa manokana ny familiana ireny karazana kamiao mpitatitra solika ireny na ny camion citerne.
Tena mitera-doza goavana tokoa mantsy raha mpamily tsy mahafehy izany no manatanteraka io asa io, indrindra fa raha tsy mahay tsara ny lalana handehanana. Asa saro-pady mantsy ny asa fitateran-tsolika ka raha sanatria tojo lozam-pifamoivoizana ny mpamily iray dia sady simba ny fiara no mety ho may ihany koa izay mety hiitatra hatramin’ny famoizana ny ain-dehibe mihitsy. Tsy nanadino ireo mpamily ao aminy ny vondrona Vivo Enregy, tompon’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell. Mpamily fiara mpitatitra solika am-polony maro no notolorany valisoa omaly teny Ivandry ka anisan’ny voahosoka ho mpamily mendrika indrindra tamin’izany Andriamatoa Ralaisoarinirina Alain. Taratasim-bola mitentina 4 tapitrisa Ar no natolotra azy ankoatra ireo karazana produit vokarin’ity orinasa iray ity. Nisaotra sy nankasitraka feno ireo mpamily mpiara-miasa aminy, Andriamaroa Kader Meiga, tale jeneralin’ny vondrona sady mbola maniry hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Marihina moa fa mahazo fiofanana hatrany ireo mpamily fiara mpitatitra solika ireo mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny asa hataony hisorohana ny loza mety hitranga eny am-pandehanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.