RAIM-PIANAKAVIANA NITADY AN-JANANY

Efa reraky ny adin-tsaina, maty nofaohan’ny kamiao


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Raim-pianakaviana avy nitady an-janany tsy hita no fantatra fa maty nofaohan’ny kamiao

niaraka tamin’ny bisikileta nentiny nivezivezy eran’ny tany ny datin’ny Zoma 28 Febroary teo tokony ho tamin'ny 2 sy sasany folakandro. Tany amin’ny PK 174+500 Ambohimanarivo Fokontany Andranonahoatra, kaominina ambanivohitr’ Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra no nitrangan’izany. Lalana mahitsy somary fidinana no nisehoan’ny loza. Fiara kamiao lehibe iray avy Antsirabe ho any Vinaninkarena no nisongona ny bisikileta nentiny.Tsy voahaja ny elanelana ilaina amin'ny fisongonana hoy ny vaovao ka voasariky ny kodiarana aoriana ilay Raim-pianakaviana nitondra bisikileta ka lavo tao ambany fiara. Naratra mafy vokatry ny fianjerana izy ka vetivety dia tsy tana ny ainy. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia niala tao an-tokantranony tao Ambatolahy Sahanivotry Itompokolahy. Tsy hita nanomboka marainan’io 28 Febroary io mantsy ny zanany. Nivezivezy nikaroka ity farany eran'ny tanàna no nataony tamin’izany. Notadiaviny hatrany Antsirabe ilay zanany fa tsy tany. Efa lanaky ny hakiviana, ny hanoanana sy harerahana izy no tapakevitra hody any an-trano hanao tatitra kinanjo izao nopaohan-drafahafatesana izao.
Pati
Legende : Ilay kamiao nifaokan-dRatompokolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT