Fifamoivoizana

Raharaha volamena tsy tafody Naaton’ny Fanjakana ny sidina Tana-Moroni


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Nilatsaka tampoka ny fanambarana miendrika didy ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 20 jolay 2022 avy amin’ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines fa nofoanana ny fahazoan-dalana hanatanteraka sidina mankany

amin'ny nosy Kaomoro ka noho izany dia miato aloha ny zotram-piaramanidinin'ny Air Madagascar mampitohy an'Antananarivo sy Moroni. Efa am-perinasa amin'ny famahana ny olan'ireo mpandeha mety efa nividy tapakila izahay, hoy ny fanambarana. Ny 27 jona lasa teo moa no nambara fa hoe miverina misokatra ny sidina Madagasikara–Kaomoro, ary ny 07 jolay teo no fanombohana ofisialy taorian’ny fikatonana naharitra noho ny fepetra ara-pahasalamana, kinanjo izao naato izao indray. Tsy misy fanazavana fanampiny momba ny fanakatonana, saingy heverina fa misy hifandraisany amin’ny raharaha volamena 49 kg tratra tany amin’ity Nosy ity ny 28 desambra 2021. Io rahateo no ambaran’ny fampahalalam-baovao Kaomorianina, izay milaza fa mitaky ny famerenana ny volamenantsika ny Fanjakana Malagasy ka io fanaovana takalon’aina io no heveriny fa ahafahana manao izany. Mitovitovy amin’io ihany koa ny fifandraisantsika amin’i Afrika Atsimo ankehitriny satria mbola mikatona amin’io firenena io ihany koa ny habakabaka, ka ny fanagiazana ny volamena tratra tany an-toerana ny 31 desambra 2020 no nambaran’ny fampahalalam-baovao Afrikanina Tatsimo Daily Maverick fa anton’ny fanakanana ny sidin’ny Airlink tsy hiditra eto. Efa nilaza ihany koa aza io fampahalalam-baovao io, fa nisy ihany koa ny lonilony politika tamin’ny taona 2018 satria nanofa angidim-by tao Afrika Atsimo ny kandida Rajoelina saingy tsy nalefan’ireo taty akory izany. Nomen'ny Filan-kevitry ny minisitra alalana ny fisokafan'ny seranam-piaramanidin’i Toliara sy Tolagnaro ho an'ny zotra avy atsy La Réunion ny 13 jolay teo, ary notsipihina fa mbola tsy misokatra kosa ny zotra an’habakabaka Madagasikara-Afrika Atsimo izay mbola miandry ny fanasoniavana fifanarahana na « protocole daccord » (MOU) hiantohana ny fisorohana ny fanondrana antsokosoko ny harem-pirenena, hoy ny Fanjakana. Nohamafisin'ny Filohan'ny Repoblika ihany koa ny fitakian’i Madagasikara ny hiverenan’ireo volamena 73 kg naondrana tsy ara-dalana sy ny fampodiana eto Madagasikara ireo teratany malagasy tratra. Mariky ny fiandrianam-pirenena ny fepetra raisin’ny fanjakana, kanefa mivadika ho ankivy eo amin’ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena amin’ireo firenena ireo ihany koa. Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT