Fifamoivoizana

Raharaha Tora-bato ao Brickaville Voasambotra ilay lehilahy, tafatsoaka ilay ramatoa


  • Zoma 01 Desambra 2017

Tsy naharitra ela fa vao nahazo ny baiko tamin’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, taorian’ilay fivorian’ny OMC tampoka teto Toamasina ny alarobia antoandro teo, izay niarahan’ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila,

izay natrehan’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana Toamasina ihany koa notarihan’ny tonia mpampanoa lalàna, dia raikitra ny fisamborana tany Brickaville vao vantany nigadona tany an-toerana ireto zandary voairaka manokana. Ny fisamborana ilay mpivarokena sy ilay ramatoa mpibizina voalaza fa mpanarama ireo mpitora-bato amin’ny vola 15.000 ariary isaky ny fiara navotsotry ny fitsarana farany teo, ka niteraka fitokonan’ireo mpitatitra olona tamin’ny lalam-pirenena faha-2, no tanjona. Voasambotra omaly ihany ilay lehilahy mpivarokena voalaza fa anisan’ireo mpanakarama mpitora-bato sy fantatra ihany koa ny isan’ireo mpangalatra omby amidiny an-tsena ao Brickaville na efa niafina sy nisitrika aza. Tafatsoaka kosa ilay ramatoa voatondro fa tena atidohan’ny fitoraham-bato ka eo am-panarahan-dia azy ny zandary amin’izao fotoana. An-kilan’izay anefa dia miteraka lonilony eo amin’ny samy mpitsara izay efa nisy ihany koa taorian’ny fifidianana ilay solontenan’izy ireo eo anivon’ny filankevitra ambony ny mpitsara eto Toamasina ny zava-misy. Ny angom-baovao aza izao no nahalalana fotoana fohy taorian’ny fampiantsoana mpitsara maromaro tao Toamasina niatrika ny fakana am-bavany azy ireo (Conseil de discipline) teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana sy mbola ao anatin’ny olana goavana misy eo amin’ny zandary sy ny fitsarana ihany koa, no nitranga izao raharaha mpitora-bato tao Brickaville votsotra izao ary niteraka ity olan’ny firenena ity. Fantatra ihany koa izao fa nalain’ny minisitry ny fitsarana ho eo ambany masony ny antontan-taratasy mikasika ity torabato ao Brickaville ity.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT