Raharaha taksibe 154

Nidoboka any Tsiafahy ilay mpamily


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Natolotra ny fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy

omaly ilay mpamily Taxibe 154 nahafaty mpitondra scooter teo Mahamasina ny harivan'ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Fitanana am-ponja vonjimaika any Tsiafahy an'ilay mpamily no didy savaranonando navoakan’ny fitsarana. Hitohy amin’ny 6 febroary 2024 ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity. Lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona na "accident mortel”, fandosirana rehefa nahavanon-doza na “délit de fuite”, vono olona na “meurtre" kosa no vesatra nanenjehana azy, raha ny fanampim-baovao voaray hatrany. Tsetsatsetsa tsy aritra, etsy ankilan’izay, ny mampahatsiahy fa isan’ireo zotra maha velon-taraina mpandeha ho mpanao izay danin’ny kibony indrindra moa ity zotra 154 izay mampitohy an’Amboditsiry hatrany Tanjombato ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT