Fifamoivoizana

Raharaha sambo rendrika Ireo nanavotra indray no misy migadra…


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Misy amin’ireo olona tafiditra mivantana na ankolaka tamin’ilay raharaha faharendrehana sambo namoizana ain’olona 30 mahery ny alin’ny 11 martsa teo no mitaraina ankehitriny, raha ny vaovao avy any an-toerana.

Milaza izy ireo fa ireo nanavotra ireo mpitsoa-ponenana indray no nisy nampidirina am-ponja, hatramin’ny Filoham-pokontan’Ankazomborona, misy vehivavy lehibe renin-jaza satria nisy tamin’ireo olona saika hitsoaka no nisy bevohoka ka noraisiny an-tànana,… Ireo olona nitsoa-ponenana indray no nisy navotsotra, fa olon-kafa no nampidirina am-ponja, hoy hatrany ny fitarainana. Misy amin’ireo olona nogadraina no avy any Anjiabe, misy ny avy any Ankazomborona,… Misy mpanjono izay manana karatra mazava, olona tokony ho vavolombelona sy tsy manan-tsiny indray no nogadraina, fa ny olona tokony ho tazonina navotsotra maimaimpoana, hoy hatrany ny fitarainana. Mahagaga anay ny zava-misy fa mahare izahay hoe: misy ny famotorana, ary misy olona atao fakana vola, hoy hatrany ireo mahatsiaro ho lasibatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT