Nitondra fanazavana mikasika ilay toe-draharaha tany amin’ny RN7 ny Talen’ny
serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Kaomosera Ranaivoson Alexandre omaly, tao amina onjam-peo iray omaly. “Ny fanamarihana tsara atao, dia ny polisy ny minisitra. Na manao fanamiana na tsia dia polisy izy. Avy namita iraka izy no nandeha nody, dia tsy nisy mpiambina niaraka taminy noho ny fahasimban’ny fiara iray, ka izy no nitondra. Rehefa mahita fandikan-dalàna ny polisy, dia tsy maintsy mandray anjara. Tsy nanao fanamiana izy, fa tsy mahasakana azy tsy handray andraikitra, ary izy efa nitonona ho tsy ho polisy; Ilay mpamily ao anatin’ny fahamamoana tanteraka. Diso ny filazana fa nanambana basy ny zanaky ny minisitra, fa nampitazonina ny Basy nahafahana namoaka ilay saofera. Rehefa navoaka io, tonga dia nianjera noho ny fahamamoana. Raha ny tenako no mahita fitohanan’ny fifamoivoizana, dia hiandry ny “police de la route” ve? Tamin’io fotoana nahitana azy io, dia tamin’ny toerana tsy nahitana polisy eny an’elanelana. Tamin’ny toerana tsy nisy polisy. Ahoana raha nivarina tany an-kady ilay fiara dia hifanome tsiny hoe: nandalo teo ny minisitry ny polisy fa tsy handray andraikitra? Sarotra amin’ny olona tena tompon’andraikitra ny hitazana fotsiny hoe aleo izy handeha dia hitan’ny polisy any, ary tsisy afaka manome antoka fa tsy hanao lozam-pifamoivoizana ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy misy fahadisoan’Atoa minisitra ny fanomezana ilay basy, izay notazonina fa tsy nampiasaina. Raha teny an-tànany ny basy, ilay saofera efa vonona ny hamely azy, tsy fantatra izay mety niseho amin’ny maha olombelona. Tsy ilay basy no nampiasain’ny minisitra rehefa handeha hamely sy hisarangotra ilay mpamily, fa ny “gaz poivré” teny an-tànany no nampiasainy nentina niaro tena”, hoy ny Talen’ny seraseran’ny Polisim-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.