Fifamoivoizana

Raha tsy manana vahaolana ny Fanjakana Tsy hihemotra ny saran-dàlana 800Ar, hoy ny UCTU


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Any amin’ny fanjakana sisa ny baolina mikasika ny hijanonan’ny saran-dalan’ny taxibe ho 600 Ar na tsia. Raha araka

ny tafa nifanaovan’ny fivondronan’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU tamin’ny mpanao gazety omaly dia efa tongotra mby an-dakana ny azy ireo ka tsy hihemotra intsony, ary ilay 800Ar no tapaky ny fivoriam-ben’ny mpitatitra. Ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana sisa hoy Lovaniaina Razafindrakoto, filohan’izy ireo no andrasana. Mivoaka sempotra izahay hoy izy ny amin’ny vesatra iainan’ny taksibe isan’andro. Anisan’ireny ny fiakaran’ny patanty, ny assurance, ny vidin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiara, ny haratsian-dalana hany ka tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra. Manampy trotraka izany, hoy hatrany ny filohan’ny UCTU, ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tsy maintsy hatrehin’izy ireo miaraka amin’ny olon-drehetra ihany koa. Miandry ny fampiantsoan’ny fitondram-panjakana sisa izy ireo noho izany, raha hisy ny fampantsoana hisiana tolotra mety tsara kokoa. Hanomboka amin’ny 01 Aogositra ho avy izao moa io fiakaran’ny saran-dalan’ny taxibe eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina io raha toa ka tsy mandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana. Hisy ve ny karazana vahaolana haroson’ny Fanjakana toy ny resaka “subvention” ho an’ny mpitatitra hitazonana ny saran-dàlana tsy hiakatra izay efa nisy tany aloha saingy niteraka olana ary betsaka aza no tsy nahazo? Sa misy vahaolana hafa toy ny filazana hanafatra karazana fiara lehibe izay poakaty hatreto? Raha tonga teo tokoa ve ireo bus 1000 nampanantenaina dia nahasakana fiakaran’ny saran-dalana?
Pati
Legende : Rehefa tsy mihetsika ny fanjakana dia hiakatra 800 Ar ihany ny saran-dalan’ny taxibe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT