Fifamoivoizana

Pullman Alarobia Nitsoaka ilay fiara 4x4 nandona olona


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny Pullman Alarobia ny Sabotsy teo.Fiara 4x4 miloko manga mitondra ny laharana vahiny no nifaoka tovolahy iray vao 21 taona ary lasa nitsoaka.

 

Naratra mafy ity tovolahy ity vokatr’izany ka nahatsiaro tena intsony noho ny hamafin'ny dona nihatra taminy. Vao nahita izany ny polisy niasa teny an-toerana dia namonjy ny ain'ilay tovolahy ary nitondra azy haingana tamin'ny fiara teny amin'ny hopitaly. Raha ny vaovao azo farany dia efa manomboka mahatsiaro tena ilay niharam-boina na dia mbola voa mafy aza izy. Tsy hita moa ny laharan'ilay fiara nandona ity farany mbola eo am-pitadiavana azy ny Polisy. Mangataka izay olona mety mahalala na mahita ity fiara 4x4 miloko manga ity araka izany ny borigadin’ny lozam-pifamoivoizana mba hiantso azy ireo maika amin’ny laharana 034 05 517 24.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT