Fifamoivoizana

Potika sy rava ny RN6 Vato fototra no notokanana fa ny asa aotra


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Potika tanteraka ny ampahany maro amin’ny RN6 miainga eo Ambondromamy hatrany Antsiranana. Nofinofy sisa ny hatsaran-dàlana namboarin’ny fitondrana Ravalomanana niainga avy eo Ambondromamy.

 Taraiky eo Antsatramanera (anelanelan'Ambondromamy sy Mampikony) ireo fiara vaventy mpitatitra entna hihazo ireo faritra any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Mihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana. Voalaza fa hanomboka ny fanamboarana ny lalana ao Mahilaka, 25 km miala an’Ambanja, amin’ny RN6. Tapaka efa tsy azon’ny fiara nandehanana intsony ity lalana ity noho ny faharatsiany, indrindra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Efa ny 10 septambra 2021 no nanaovana hetsika nipoapoaka fa hamboarina ny lalana mirefy 233km, ao anatin'ny lalam-pirenena faha-6 izaynnampikaikaika ny vahoaka an-taonany maro. Tsy nisy fanamboarana izany RN6 mampitohy an'i Ambanja sy Antsiranana izany tao anatin'ny 40 taona, hoy ny Fanjakana Rajoelina izay nitokana vato fototra fanombohan’ny asa tamin’io septambra 2021 io. Ny Filoha sy ny Praiminisitra mihitsy no tonga taty Antsiranana nametraka izany vatofototra izany ary koa nijery ny fanombohan'ny asa. "Amboarina atao « goudron» manontolo ny lalana RN6 mampitohy an'i Ambanja-Diego fa tsy hoe atao « Tip top » hoy Rajoelina. Aiza ho aiza ny fahavitan’izany izao fa ny vato fototra aloha no efa notokanana? Manao ahoana ihany koa ny ampahany sasany? Ny kisehoseho ivelany hatrany aloha no betsaka hatreto ka asa mbola miandry propagandy indray ve vao hampantena indray fa rehefa lany fanindroany vao tena hanao ny asa ? Minia mikipy sa tena tsy mahita ny zava-misy ? Sa kosa mitohy ny politikan’ny « valala tsy an-tànana atolo-jaza » ka ny fampantenana no lasa aloha fa ny hoenti-manana mbola baraingo ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT