Potika ny lalana, ary dibo-drano izay aleha eto Antananarivo, indrindra fa amin’ny faritra iva amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Tsy ampy na tsy nisy rahateo ny fikojakojana ny lalana na miantomboka isaky ny fiara maka solika aza ny Tahiry ho an’ny fikojakojana (FER). Ny tsy fanarahana ny drafi-panajariana ny tanàna ihany koa manginy fotsiny, ka tsy atao mahagaga raha vao avy ny orana, dia maro ny toerana dibo-drano, eny fa ny arabe aza satria maro ny fanorenana tsy ara-dalàna. Mandrora mitsilany ny olona amin’ny resaka fitandroana ny fahadiovana, hany ka tsentsin’ny fako ny lakandrano. Eo ihany koa anefa ny tsy fanarahan-dalàna samihafa. Tsy voahaja amin’izao fotoana ny ora hahafahan’ny fiarabe miditra ny renivohitra. Tsy hay na misy ny resaka kolikoly na ahoana fa tahaka ny etsy Anosizato, ohatra, dia saika ahitana izany amin’ny ora rehetra. Misy mpandraharaha vahiny, dia malalaka ny fivezivezen’ny fiarabeny amin’ny ora rehetra. Ankoatra ireny, anisan’ny nanenjehana sy nanakianana fatratra ny Kaominina Antananarivo ny fanesorana ny mpivarotra amoron-dalana. Tsy hisy fampandrosoana sy firindrana ao anatin’ny fikorontanan’ny tanàna izany, ary mila manaraka ny fitsipika sy lalàna ny rehetra. Avadika ho fanenjehana ny madinika sy fanaovana kely tsy mba mamindro ny fandaminana sy fampanarahan-dalàna. Ny tokony ho ao an-tsain’ny isam-batan’olona dia natao ho an’ny rehetra ny lalàna sy ny fitsipika, ary tsy tokony hialokalofana ny resaka fari-piainana, ka rehefa manasokajy tena ho madinika na vaventy dia afaka handeferana amin’ny fampiharana lalàna. Mila mifampitaiza mba hisian’ny firindrana sy ny filaminan’ny tanàna isika, fa raha izao no mitohy na afaka zato taona aza tsy hisy zava-banona eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.