Fifamoivoizana

Potika ny lalana nanomboka ny 2009 Mila manonitra ny asa tsy vitany Rajoelina


  • Zoma 11 Janoary 2019

Potika tanteraka ny lalana eto Antananarivo Renivohitra ankehitriny ary saika ahitana izany na aiza na aiza aleha.

 

 Olana ho azy ireny ny fikojakojana ny simba izay tokony hisy fotoana voafaritra mazava hanaovana azy, kanefa toa tsy izay ny zava-miseho. Tsy mazava amin’ny rehetra ny fikirakirana sy ny fampiasana ny vola alaina amin’ny vidin-tsolika na ny tahiry ho an’ny fikojakojana ny làlana (FER). Asa miandry ny fanjakana vaovao ireny, ka dia ho hita eo ny afitsony. Ny tsy azo hadinoina fotsiny dia ny hoe: nanomboka tamin’ny 2009 nisian’ny fitondrana tetezamita no tsy nisy fikojakojana sy fanamboarana lalana intsony, ka izay no tena nampihombo ny fahapotehana, tsy eto Antananarivo ihany fa saika manerana ny Nosy. Nanao izay ho afany ihany ny fanjakana HVM, saingy efa be loatra ny fahasimbana. Ny kalitaon’ny asa nataon’izy ireo ihany koa dia toa petatoko ny sasany raha ny teto Iarivo, hany ka tsy maharitra an-taonany akory dia potika, tahaka ny làlana eny Ambodin’Isotry mivoaka ny Tany Malalaka eny 67Ha. Miandry ny hafitsoky ny fanjakana MAPAR izany ny rehetra amin’izao izy efa voafidy ara-dalàna izao fa raha ny tamin’ny tetezamita aloha, dia aotra ny naotiny raha fanamboarana lalana izany, kanefa iankinan’ny fampandrosoana io. Efa ben’ny tanànan’Antananarivo rahateo i Andry Rajoelina, ka antenaina fa tsy hamela ny renivohitra ho potika na eo aza ny mety tsy fitovian-kevitra aza-politika. Maro ny fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina, toy ny hoe: hanamboatra ny RN 44. Eo ihany koa ny RN5A mampitohy an’Ambilobe Vohemar, izay efa nisy ny fifanaovan-tsonia tamin’ny sinoa tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ary manohy ny anjaran’ny Fanjakana Rajoelina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT