Potika ny lalana, feno fako ny tanàna…

“Tsy manam-bola ny kaominina”


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Nitondra fanazavana mikasika ny atao hoe fitsinjaram-bola na “décentralisation budgétaire” izay isan’ny iray amin’ireo

vinany miaraka amin’ny vovonana politika manolotra azy dia ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina. Haka ohatra amina toerana iray isika, hoy izy. Tsy ny minisitera na filoham-pirenena no manapa-kevitra ny asa atao eny anivon’ny faritra, kaominina, distrika fa ireo tomponandraiki-panjakana voafidy teny. Izay no tsara indrindra. Ny ben’ny tanàna, ohatra, no manapa-kevitra hoe izao no maika amin’ny lafiny asa vaventy. Hitantsika tsara izao ny eto Antananarivo renivohitra. Potika ny lalana. Feno fako ny tanàna. Tsy manam-bola tsinona ny kaominina ary ny volan’ny fanamboaran-dalana dia ao amin’ny minisitera tokana. Ataovy eny anivon’ny kaominina no dikan’izany ny volam-panjakana! Misy vola be dia be ao amin’ny fanjakana azo anamboarana ny lalana. Tahaka izany koa isika raha hiresaka faritra, ohatra, ao amin’ny renivohitry ny faritra Sofia, ao Antsohihy. Potika koa. Be dia be ny asa tsy vita. Mijanona aty amin’ny minisitera tokana tsinona ny fahefana. Tsy ny minisitera no tokony hahalala ny maika isaky ny faritra. Ny ben’ny tanàna no mahalala ny maika. Dikan’izany, ny sorabola tokony hanaovana ireny lalana, fotodrafitrasa ireny dia avy amin’ny ben’ny tanàna. Tsy tokony hisy intsony ny fitenenana hoe ny filoham-pirenena no nanamboatra ny lalana na ny minisitra fa ny ben’ny tanàna. Ny manara-maso ireny olona akaikin’ny vahoaka ireny no asan’ny filoham-pirenena sy minisitra. Midika izany fa manakaiky ny fahefana. Antananarivo renivohitra izao raha nalaina ny volam-panjakana momba ny asa vaventy dia manana 240 tapitrisa Ariary isan’andro hanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo. Maninona no mbola simba ny lalana eto Antananarivo renivohitra? Ahoana no haha potika ny lalana ao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra? Miandry ny vola avy amin’ny kaominina tsinona izy, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpampianatra sady mpitantana orinasa ity.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT