Potika ny lalana eto Antananarivo

Andrasana ny tena fanamboarana tsy vonjy tavan’andro


  • Talata 11 Jona 2024

Efa lasa lavaka be amin’izao fotoana izao ireo lalana eo amin’ny fiolanana mihazo ny Météo –Ampasapito,

raha ny hita teny an-toerana hatramin’ny omaly. Saika namboarina fa tavela teo, indrindra, ilay miakatra avy any Avaradoha mihazo ny lalana mankany Tsarahonenana sy Fort Duchesne – Mausolée, hoy ny mpitondra fiarakaretsaka nandalo teny an-toerana. Ohatra iray amin’ireo lalana zara faha vita eto Antananarivo moa no hita teny. Lalana Bombo voanjo, hoy ny filaza azy mahazatra. Na ny mandalo ny Bel’air Ampandrana na ny mihazo an’iny Ambanidia iny, ny eny 67ha izany moa, tsy lazaina intsony. Efa ela no potika ny lalana eto Antananarivo saingy hatramin’izao aloha dia mbola andrasana ny tena fanamboarana marina tsy vonjy tavan’andro.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT