Fifamoivoizana

Posy na sarety mandona fiaran’olona Ny fifanarahana amin’ny tompon’ny fiara ihany no vahaolana


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Tranga iray anisan’ny tena manahirana ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin’izao ny fisian’ireo posy na sarety mandona fiaran’olon-tsotra eny amin’ny arabe.

 

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia misimisy ihany ireo fitarainana tonga eny am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana mahakasika azy ireny. Na izany aza anefa dia tsy afa-manoatra ireto farany noho ilay posy sy sarety tsy misy taratasy  ara-dalàna toy ny taratasy fiantohana …. Ny fifanarahan’ilay mpitondra posy na sarety amin’ny tompon’ilay fiara voadona  ihany sisa  no vahaolana hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mety ka anjaran’ny roa tonta ny mandamina azy. Mihamitombo indray ireo posy sy sarety mandeha eny amin’ny arabe amin’ny andro atoandro amin’izao. Anisan’ny tena ahitana azy ireny betsaka ny eny Anosibe sy Anosizato ary Itaosy. Ankoatra ny fitohanan’ny fifamoivoizana mety aterak’izy ireny  dia atahorana hatrany ny loza madinika mety hoentiny  toy ireo mpitondra posy hingain’ny entam-be entiny ka mifatratra  any amin’ny mpandeha an-tongotra ilay entana…. Olana anefa maro amin’izy ireo no tsy manaiky fandaminana ka miafara amin’ny ady sy ny teny ratsy hatrany ny resaka hifanaovana aminy ka aleon’ny rehetra mangina. Antso avo no hatao amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hijery akaiky  ireny posy sy sarety tsy manara-dalàna ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT