PONT SOFIA RN6

Taksibory tra-droza, olona 10 no indray maty


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Zava-doza no nitranga tany amin'ny

lalam-pirenena faha-6 teo amin'ny Pont Sofia, kaominina Marovatana, distrikan'Analalava omaly Alakamisy 16 Oktobra tokony ho tamin'ny 03 ora maraina. Fiara fitanteram-bahoaka mitondra ny laharana 9100ME ao amin’ny koperativa VOFIZABO‚ avy any Mahajanga‚ hihazo an' Antsohihy no lasibatra tamin'izany. Olona miisa 07 tao anatin'ilay fiara no maty teo noho eo izay niampy 03 irehefa tonga tao amin’ny toeram-pitsaboana ao Port Berger. Tafakatra 10 araka izany ireo maty‚ izay nahitana vehivavy 05 sy lehilahy 05 ka tanora avokoa ny ankamaroany araka vaovao voaray. Nidina ifotony avy hatrany ny Lehiben'ny Distrikan'i Port Berger niaraka tamin'ny fiara fitondrana marary ary ny mpitandro filaminana rehefa nandre ny vaovao. Latsaka‚ tsy tànan’ny arofanina ny fiara izay ahiana ho nandefa mafy na resi-tory ny mpamily na koa nisy olàna ara-teknika izay tsy mbola voafaritra mazava tsara. Efa nanaovana antso avo avokoa moa ny ankamaroan'ny fianakavian'ireo maty mba haka ny vatana mangatsiakan'ny havany.
Pati
Légende : Potika tahaka izao ilay fiara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT