Fifamoivoizana

Polisy nanao kolikoly teny Anosizato Nomelohin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka


  • Zoma 17 Aprily 2020

Nilaza ny polisim-pirenena fa manameloka tanteraka ny trangana fandikan-dalàna nataon'ireo polisy izay manitsakitsaka ny fitsipi-pifehezana mifehy ny Polisim-pirenena teny Anosizato ny Minisitry ny filaminam-bahoaka.

 

 

 

Tratra nanao kolikoly ireo polisy ireo noho fakana sary tsy nampoiziny. Nanokafana fanadihadiana eo anivon’ny IGPN (Inspection Générale de la Police Nationale) izy ireo hahafahana mandray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao. Tsy hihanona amin’ny fanasaziana ireo Polisy ny Minisitera fa hikaroka ihany koa ny mpanome ilay vola satria ao anatin’ny kolikoly dia misy ny mpanome ary misy ny mandray. Ny Polisim- pirenena dia mankasitraka ny fanomezam-baovao tamin’ny fahazoana sary ilay tranga tetsy Anosizato ary vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa sy fanatonana hatrany ny vahoaka, hoy ny fanambarana. Azon’ny olom-pirenena antsoina ny laharan’ny IGPN dia ny 034 15 367 20 manoloana ny fandikan-dalàna hataon’ny polisy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT